FIHAONANA TAMIN’ NY UNION DES PHOTOGRAPHES PROFESSIONNELS DE MADAGASCAR (UPPM)

Nandray ny birao mpitantana ny UPPM na ny ????? ??? ???????????? ?????????????? ?? ?????????? ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ?????????????? ???????? ny Talata 05 Marsa 2024. Nifantohan’ny dinika ny endrika fiaraha-miasa azo apetraka eo amin’ny ministera sy ny UPPM ho fanatsarana ny sehatry ny asa fakana sary eto Madagasikara.

Naneho ny hetahetany amin’ny tokony hametrahana fenitra na rafitra matanjaka ara-panjakana hifehy ny fakana sary ary hanasokajy izany ho asa mahavelona sy matihanina ireo mpaka sary mivondrona ao anatin’ny UPPM izay mankalaza ny faha-10 taona nisiany amin’ity taona ity.

Voaresaka nandritra ity fihaonana ity koa ny fikarakarana ny « Iray volan’ny sary » sy ny fampirantiana samihafa ho fampiroboroboana hatrany ny asan’ireo mpaka sary matihanina ary ny fanatontosana fandaharana manokana momba ny fakana sary ao amin’ny fahitalavi-pirenena.

Vonona hifanome tanana amin’ny ministera ny UPPM eo amin’ny lafiny fizarana traikefa sy fampianarana ireo rehetra liana amin’ny fakana sary, indrindra ny tanora amin’ny alalan’ny ivontoeram- pikotrehana ireo talenta malagasy na ny Centre d’incubation izay tetikasan’ny ministera efa eo andalam-panatanterahana.

#serasera #kolontsaina #UPPM #MSK