π•Šπ”Όβ„π”Έπ•Šπ”Όβ„π”Έβ„•’ℕ𝕐 𝕄ℙ𝔸ℕ𝔸𝕂𝔸ℕ𝕋𝕆 | π”Έπ•Ÿπ••π•šπ•’π•Ÿπ•ͺ 𝕗𝕒𝕙𝕒𝕣𝕠𝕒 (Sary andiany voalohany)

Β« Tsy mibodo hitazona ny fitantanana ny 𝕆𝕄𝔻𝔸 mihitsy ny minisitera, ary efa nanolo-kevitra ny hanaovan’ny artista tolo-dalaΜ€na hananganana ny antsoina hoe orinasan’ny mpamorona (πšœπš˜πšŒπš’Γ©πšΓ© 𝚍’πšŠπšžπšπšŽπšžπš›) hotantanan’ny samy mpanakanto mpamorona fa tsy hidiran’ny fanjakana intsony.

Raha misy izany tolo-dalaΜ€na izany dia vonona tanteraka ny hanampy ny Minisitera hanatanterahana ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny resaka zon’ny mpamorona.

Fa ankehitriny aloha, satria mbola ratsa-mangaika eo ambany fiahian’ny minisitera ny 𝕆𝕄𝔻𝔸, dia teren’ny lalaΜ€na ny minisitera hitantanana azy sy hanao izay hahatsara azy.

Izany indrindra no nahatonga ny minisitera nikaroka hevitra efa ho roa taona izao hanatsarana ny fampisitrahana ny artista ny zony amin’ny maha-mpamorona azy, efa nampahafantarina nandritra ny Seraseran’ny mpanakanto andiany voalohany tamin’ny 𝟝 𝕄𝕒𝕣π•₯𝕀𝕒 πŸšπŸ˜πŸšπŸ™ izany endrika ankapoben’ny rindran-baiko na logiciel entina mitantana ny fanangonana ny vola zon’ny mpamorona sy ny fitsinjarana izany amin’ireo artista tokony hisitraka azy. Androany dia masaka tanteraka ny nahandro ka atolotry ny minisitera anareo mpanakanto rehetra hahalalanareo ny ezaka natao Β»

Izay no isan’ny hafatra lehibe nentin-dβ„π•’π•žπ•’π•₯𝕠𝕒 π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯𝕣𝕒 𝕃𝕒𝕝𝕒π•₯π•šπ•’π•Ÿπ•’ β„π•’π•œπ• π•₯π• π•Ÿπ••π•£π•’π•«π•’π•—π•ͺ 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 nandritra ny hetsika Β«Β π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•„π•‘π•’π•Ÿπ•’π•œπ•’π•Ÿπ•₯𝕠 π•’π•Ÿπ••π•šπ•’π•Ÿπ•ͺ 𝕗𝕒𝕙𝕒𝕣𝕠𝕒 » notontosaina anio Alakamisy 𝟝 𝕄𝕖π•ͺ 𝟚𝟘𝟚𝟚 teny amin’ny By pass izay nokarakarain’ny π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’.

Raha tsiahivina dia tamin’ny 𝟝 𝕄𝕒π•ͺ πŸšπŸ˜πŸšπŸ™ no nisy ny andiany voalohany teny Ivato, ity hetsika ity dia fotoana hihaonan’ny Minisitera mpiahy sy ny mpanakanto bebe kokoa.

Hipoka ny efitrano ary saika tazana teny avokoa ireo mpanakanto manana ny maha-izy azy amin’ny sehatry ny hira, ny teatra, ny dihy, ny cinema, ny sary hisodoko, ny saripika, ny mpanoratra, sns.

Ny lohahevitr’ity Β«Β π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•žπ•‘π•’π•Ÿπ•’π•œπ•’π•Ÿπ•₯𝕠 π•’π•Ÿπ••π•šπ•’π•Ÿπ•ͺ 𝕗𝕒𝕙𝕒𝕣𝕠𝕒 » ity dia ny fanolorana ny drafi-panavaozana ny 𝕆𝕄𝔻𝔸 sy ny fampivadihana ny tontolon’ny zon’ny mpamorona mankany amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy maoderina.

Tsikaritra tokoa fa olana lehibe eo anivon’ny 𝕆𝕄𝔻𝔸 ny Β«Β πš™πšŽπš›πšŒπšŽπš™πšπš’πš˜πš—Β Β» na ny fanangonam-bola : fitakiam-bola amin’ireo mpampiasa ny sanganasa.

Olana faharoa ny Β«Β πšπš’πšœπšπš›πš’πš‹πšžπšπš’πš˜πš—Β Β» na Β«Β πš›πšŽπš™πšŠπš›πšπš’πšπš’πš˜πš—Β Β» : fitsinjarana ny vola any amin’ireo mpanakanto.

Tsy afaka niaina tanteraka amin’ilay kanto foroniny ny mpanakanto hatreto raha ny vola raisiny isam-bolana no jerena.

Ka izany indrindra no imatimatesan’ny Minisitera amin’ny fitadiavana hevitra hanatsara ny fidiram-bolan’ny artista.

Napetraka arak’izany ny tetikasa lehibe niarahan’ny π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’ sy ny π•Šπ• π•”π•šéπ•₯é 𝕄𝔸ℕ𝕆𝕆𝕍𝔸 miasa izay namorona ny Β«Β πš•πš˜πšπš’πšŒπš’πšŽπš•Β Β» hamaritana sy hamantarana hoe impiry isan’andro ny hira ny mpanakanto iray no mandeha amin’ny radio.

Rafitra informatika ahafahana hanaovana tatitra ara-bola ka manamora ny fidiran’ny mpanakanto ho mpikambana ao amin’ny OMDA, ary ahafahana manaraka ny fandehanan’ny hiran’ny mpanakamto any amin’ny bar, karaoke,… no isan’ny antony nametrahana ity tetikasa ity. Natolotra androany io logiciel io sy ny fomba fiasany.

Tato anatin’izay roa taona izay no nitadiavan’ny Minisitera fiaraha-miasa amin’ireo Β«Β πš•πšŠπš‹πšŽπš• πš’πš—πšπšŽπš›πš—πšŠπšπš’πš˜πš—πšŠπš•Β Β» ahatombana ny fizakan’ny mpanakanto Malagasy ny zony sy ny fanapariahana ny kanto malagasy any ivelany.

Ireo « MπšŠπš“πš˜πš›sΒ Β» izay orinasa lehibe goavana ao amin’ny sehatry ny mozika dia ny π•Œπ•Ÿπ•šπ•§π•–π•£π•€π•’π• π•žπ•¦π•€π•šπ•” 𝕀π•ͺ π•π•šπ•£π•˜π•šπ•Ÿ π•žπ•¦π•€π•šπ•” no nitadiavan’ny Minisitera fiaraha-miasa ka dia efa raikitra izany ankehitriny.