AZO VAKIANA AO TRANOMBOKIM-PIRENEN’I MADAGASIKARA NY BOKY MIRAKITRA NY TANTARAN’NY VOLA MALAGASY SY NY FAMOKARANA AZY

Anatin’ny fankalazana ny faha 50 taonany dia namokatra boky milohateny hoe : « La Monnaie et l’émission monétaire à Madagascar : des origines à nos jours (1973 – 2023) » ny Banky Foiben’i Madagasikara. Boky 106 pejy izay mirakitra ny tantaran’ny vola Malagasy sy ny famokarana azy.

Ho azon’izay rehetra liana amin’izany boky izany jerena sy vakiana ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ao Anosy sy amin’ireo rantsany eny anivon’ireo tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina ary amin’ireo CLAC manerana ny Nosy izany boky izany.

Ny Zoma 24 Novambra 2023 no nanoloran’ny Goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara izany boky izany ho an’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, izay nosoloin’ny Filohan’ny filan-kevi-pitantanany, Fetra Rakotondrasoava tena tetsy Antaninarenina.