FAMPODIANA NY KABESON’NY MPANJAKA SAKALAVA TOERA

Nisy ny dinika ara-teknika natao tany Quai d’Orsay

Ho fanohizana ny dingana ara-diplomatika ataon’ny Fanjakana Malagasy ho famerenana ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera, dia nisy ny fihaonana ara-teknika nifanaovan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, tamin’Atoa Christophe Bigot, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Fitaleavana Ankapobeny misahana ny Afrika sy Ranomasimbe Indiana sy ny mpiara-miasa aminy, eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay tany Quai d’Orsay, Paris Frantsa.

Ity fihaonana ara-teknika natao androany Zoma 21 oktobra 2022 ity, dia tohin’ny dinika teo amin’ny Masoivoho Frantsay vaovao sy Ramatoa Minisitra tamin’ny herinandro lasa.

Miroso amin’ny fijerena ny pitsopitsony araka ny lalàna ny firenena roa tonta, ahafahana manatanteraka izany fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera izany, ankoatra ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay dia miara-misalahy amin’ny fifampidinihana samihafa atao koa ny Minisiteran’ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Minisiteran’ny Kolontsaina Frantsay.

Ankoatra io lohahevitra io dia voadinika nandritra ny fihaonana koa ny fiarahamiasa ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, indrindra eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny Mozea, ny vaky boky ary ny sarimihetsika malagasy.