VOA’ART, THE NATIONAL ORHESTRA OF MADAGASCAR

𝙽𝚊𝚖𝚙𝚊𝚑𝚊𝚏𝚊𝚗𝚝𝚊𝚛𝚒𝚗𝚊 𝚘𝚏𝚒𝚜𝚒𝚊𝚕𝚢 𝚊𝚗𝚍𝚛𝚘𝚊𝚗𝚢 𝚗𝚢 𝚏𝚒𝚓𝚘𝚛𝚘𝚊𝚗𝚢

Sambany ary voalohany eo amin’ny tantara no hanana ny 𝓞rkestra 𝓝asionaly 𝓜alagasy voalohany i Madagasikara nampitondraina ny anarana hoe « 𝚅𝙾𝙰’𝙰𝚁𝚃, 𝚃𝚑𝚎 𝙽𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗𝚊𝚕 𝙾𝚛𝚌𝚑𝚎𝚜𝚝𝚛𝚊 𝚘𝚏 𝙼𝚊𝚍𝚊𝚐𝚊𝚜𝚌𝚊𝚛 ».

Miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-𝟜 sy ny faha-𝟙𝟛, mamaritra ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny lafiny Kolontsaina ny 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕖𝕣𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒.

Tany amin’ny taona 𝟙𝟡𝟞𝟝 sy 𝟙𝟡𝟡𝟘 isika no nanana vondrona mpiangaly mozika marolafy kanefa tsy ampy ny fepetra mba hamadihana izany ho lasa Orkestra iray mihitsy.

Mpikambana no mandrafitra ny 𝕍𝕆𝔸’𝔸ℝ𝕋, 𝕋𝕙𝕖 ℕ𝕒𝕥𝕚𝕠𝕟𝕒𝕝 𝕆𝕣𝕔𝕙𝕖𝕤𝕥𝕣𝕒 𝕠𝕗 𝕄𝕒𝕕𝕒𝕘𝕒𝕤𝕔𝕒𝕣; mpikambana izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy avokoa.

Misy amin’izy ireo no efa nilona tao anatin’ny filalaovana mozika efa ela, misy koa ireo manam-piniavana ny hisehatra amin’ny mozika izay voaantso handrafitra ny Orkestra.

Nahazo ary nanaraka fiofanana matianina tao amin’ny Akademia nasionalin’ny 𝚉𝚊𝚟𝚊-𝚔𝚊𝚗𝚝𝚘 sy ny 𝙺𝚘𝚕𝚘𝚗𝚝𝚜𝚊𝚒𝚗𝚊 na ny 𝔸ℕ𝔸ℂ avokoa izy ireo, nialohan’ny nananganana ny mpikambana.

Nametraka fiaraha-miasa tamin’ny Fikambanana « 𝙷𝚎𝚝𝚜𝚒𝚔𝚊 » ihany koa ny Minisitera, izay natao androany ny sonia fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa.

Ity fikambanana ity no hiantsoroka ny fitadiavana ny mpampiofana any ivelany mba ahafahana mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny volana 𝚂𝚎𝚙𝚝𝚊𝚖𝚋𝚛𝚊 izao araka izany no ho avy eto Madagasikara ny andiany voalohany amin’ireo mpampiofana matianina hitondra fampiofanana ho an’ireo mpampiofana (𝚏𝚘𝚛𝚖𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚍𝚎𝚜 𝚏𝚘𝚛𝚖𝚊𝚝𝚎𝚞𝚛𝚜).

Nambaran-𝕕ℝ𝕒𝕞𝕒𝕥𝕠𝕒 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕣𝕒 𝕃𝕒𝕝𝕒𝕥𝕚𝕒𝕟𝕒 ℝ𝕒𝕜𝕠𝕥𝕠𝕟𝕕𝕣𝕒𝕫𝕒𝕗𝕪 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 fa tanjon’ny Minisitera ny hitondra avo ny fahaiza-manaon’ny Orkestra Nasionaly Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba ho an’ny voninahitry ny firenena.

Mirakitra rahateo ny tantara ny fijoroany ary manamarika ny fihiziana ara-kolontsaina.

Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy amin’ny 𝙰𝚕𝚊𝚔𝚊𝚖𝚒𝚜𝚢 𝟸𝟼 𝙼𝚊𝚢 ny « 𝚅𝙾𝙰’𝙰𝚁𝚃, 𝚃𝚑𝚎 𝙽𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗𝚊𝚕 𝙾𝚛𝚌𝚑𝚎𝚜𝚝𝚛𝚊 𝚘𝚏 𝙼𝚊𝚍𝚊𝚐𝚊𝚜𝚌𝚊𝚛 » amin’ny alalan’ny ℂ𝕠𝕟𝕔𝕖𝕣𝕥 𝕕𝕖 𝕡𝕣é𝕤𝕖𝕟𝕥𝕒𝕥𝕚𝕠𝕟, eny amin’ny 𝕃𝕒𝕡𝕒𝕟’𝔸𝕟𝕕𝕒𝕗𝕚𝕒𝕧𝕒𝕣𝕒𝕥𝕣𝕒, hampisehoana ireo hira fanao fahiny tany 𝚊𝚗𝚊𝚝𝚢 𝚁𝚘𝚟𝚊, sy ireo karazan-kira  »𝚜𝚢𝚖𝚙𝚑𝚘𝚗𝚒𝚚𝚞𝚎 ».

𝙰𝚛𝚊𝚑𝚒𝚗𝚊 𝚖𝚒𝚟𝚊𝚗𝚝𝚊𝚗𝚊 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚗𝚢 𝚃𝚎𝚕𝚎𝚟𝚒𝚣𝚒𝚘𝚗𝚊 𝙼𝚊𝚕𝚊𝚐𝚊𝚜𝚢.