TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY

Fiavana isam-potony, fanaovana aroafo ireo zana-kazo voavoly teny amin’ny lycée technique teo aloha Antsampanimahazo Tsiroanomandidy no nentina nanamarika ny Tagnamaro tamin’ity andiany ity.

Ahafahana miaro ireo zanakazo amin’ny doro tanety sy ho fanalana ireo haidratsy ahafahan’ireo zanakazo mitombo ara-dalana no anton’izao hetsika izao.

Tsotra ny tanjona dia ny ahafahan’ny rehetra mifanome tanana ho fiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana mikolo ireo voary ho lovain-jafy