TAGNAMARO VAVATENINA

Nontanterahina omaly faha 18 Jona 2022 ny TAGNAMARO eto VAVATENINA.

Ho fanomanana ny 26 Jona dia manao fangadiana ny lakandrano aty amin’ny Kianja Lahady Samuel mba ho fisorohana ny mety ho fiandronan’ny rano vokatry ny orana satria eto amin’ny Kianja no hanatanterahana ny lanonana ho fankalazana ny faha 62 taonan’ny fahaleovantena.