« IVOTORO » MSK | NAHAZO NY « PRIX DE L’INNOVATION DANS LA FONCTION PUBLIQUE »

« 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆 » 𝕄𝕊𝕂 | Nahazo ny « 𝙿𝚛𝚒𝚡 𝚍𝚎 𝚕’𝚒𝚗𝚗𝚘𝚟𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚍𝚊𝚗𝚜 𝚕𝚊 𝚏𝚘𝚗𝚌𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚙𝚞𝚋𝚕𝚒𝚚𝚞𝚎 » nandritra ny andro afrikana ho an’ny asam-panjakana.

Noho ny fanavaozana goavana nentiny teo amin’ny raharaham-panjakana dia notoloran’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampanan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sosialy sy ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara ny « 𝙿𝚛𝚒𝚡 𝚍𝚎 𝚕’𝚒𝚗𝚗𝚘𝚟𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚍𝚊𝚗𝚜 𝚕𝚊 𝚏𝚘𝚗𝚌𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚙𝚞𝚋𝚕𝚒𝚚𝚞𝚎 » ny Ivon’ny Torohay na 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆, izay fitaleavana iray eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Natolotra nandritra ny fankalazana ny andro afrikana ho an’ny asam-panjakana (𝚓𝚘𝚞𝚛𝚗é𝚎 𝚊𝚏𝚛𝚒𝚌𝚊𝚒𝚗𝚎 𝚍𝚎 𝚕𝚊 𝙵𝚘𝚗𝚌𝚝𝚒𝚘𝚗 𝙿𝚞𝚋𝚕𝚒𝚚𝚞𝚎) androany teny amin’ny biraon’ny minisitera misahana ny asam-panjakana ny loka, tamin’ny alalan-dRamatoa minisitry ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy, sy Ramatoa solotena manokan’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara.

Tsiahivina fa « 𝙲𝚊𝚕𝚕 𝙲𝚎𝚗𝚝𝚎𝚛 » miankina amin’ny fanjakana ny 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆, na ny Ivon’ny Torohay, ka ny hanampy sy hanoro ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana no tena antom-pisiany.

Ny laharana tokana « 𝟞𝟜𝟘 » no napetraky ny Ivotoro mba hiantsoan’ny olom-pirenena maniry hahazo toro-lalana, ka ankoatra ny fanamezana azy ireo ny karazana antontan-taratasy ilaina amin’izay sampandraharaha tiany handehanana, dia atoro azy ihany koa ny varavarana aleha sy ny sarany tokony aloha ary ny faharetan’ny fikarakarana ny taratasim-panjakana tadiaviny.

Izany dia natao hiadiana ihany koa amin’ny kolikoly any anaty raharaham-panjakana.

Tao anatin’ny 𝟙𝟡 𝕧𝕠𝕝𝕒𝕟𝕒 nisokafany dia efa nahatratra 100000 latsaka kely ny antso fangatahana torohay sy fanazavana noraisin’ny ekipan’ny IVOTORO.

Eo anelanelan’ny 400 hatramin’ny 600 isan’andro izany, ka raharaham-panjakana manodidina ny 𝟟 eo no be mpanontany indrindra, isan’izany ny resaka fananan-tany.

Ny 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆 dia tafiditra amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mifantoka amin’ny fampanakaikezana ny sampan-draharaham-panjakana amin’ny olom-pirenena, ny fanjakana tsara tantana hampanjariana ny ady amin’ny kolikoly, fa indrindra ny fampisitrahana ny zo hahazo torohay ny olom-pirenena tsy ankanavaka.

Tsy ho ela dia hisokatra koa ny tranonkalan’ny Ivotoro izay niarahana niasa tamin’ny ℂ𝕊𝕀 na ny ℂ𝕠𝕞𝕚té 𝕡𝕠𝕦𝕣 𝕝𝕒 𝕊𝕒𝕦𝕧𝕖𝕘𝕒𝕣𝕕𝕖 𝕕𝕖 𝕝’𝕀𝕟𝕥é𝕘𝕣𝕚𝕥é ary miroso amin’ny fanitarana ny Ivotoro makany amin’ny faritra ihany koa ny minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ankehitriny. Faritra miisa 𝟟 no hanombohana izany.

Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, 𝕃𝕒𝕝𝕒𝕥𝕚𝕒𝕟𝕒 ℝ𝔸𝕂𝕆𝕋𝕆ℕ𝔻ℝ𝔸ℤ𝔸𝔽𝕐 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 no nandray ny mari-pankasitrahana « 𝚙𝚛𝚒𝚡 𝚍𝚎 𝚕’𝚒𝚗𝚗𝚘𝚟𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗 », ary natolony ho an’ireo mpiara-miasa ao amin’ny 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆, dia ny Tale Jeneralin’ny Serasera, ny Talen’ny Ivotoro ary ny ekipa miisa 𝟛𝟝 mianadahy, ny fahazoana ny loka ho fankasitrahana azy ireo noho ny 𝙰𝚂𝙰 𝚜𝚢 𝙴𝚉𝙰𝙺𝙰 lehibe nataon’izy ireo hatramin’izay nitsanganan’ny 𝕀𝕍𝕆𝕋𝕆ℝ𝕆.