HETSIKA FAMPAHAFANTARANA BOKY

Anatin’ny fandaharan’asa fanohanana ny rohin’ny boky ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena sy ireo ratsamangaikany manerana ny Nosy, dia manohy hatrany manome sehatra malalaka sy maimaimpoana ho an’ireo mpanoratra mba hampahafantarany ny boky nosoratany ny Tranombokim-pirenena.

Ny Alarobia 29 Jona 2022 amin’ny 2 ora sy sasany dia hampahafantatra ny boky « Tari-dalana amin’ny fomba fanoratra ireo taratasim-pifandraisana eo amin’ny raharaham-panjakana » izay nosoratany ny mpampianatra sady mpanofana « TOTOLAHITSARA » .

Ny efitrano « Dox » ao amin’ny Tranombokim-pirenena no handray izany hetsika izany, izay hanasana antsika rehetra.