IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra SOFIA

Toy ny faritra maro eto Madagasikara dia tsy diso anjara amin’ity fandaharan’asa andiany voalohany karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ny Faritra SOFIA.

Araka izany, tao Antsohihy, renivohitry ny Faritra no nisantarana izany omaly 12 Jolay, izay natao tao amin’ny efitranon’ny CLAC Antsohihy.

Hatreto dia mpanakanto tokana avy any Mandritsara, Andriamatoa JUDICKAEL, no nandray anjara, ka sary 20 no indray aranty ao amin’ny CLAC Antsohihy, mandritra iray volana.

Marihina fa mpanao hosodoko « portraitiste » vao mosondrotra nefa efa manomboka fanta-daza ity noho ny talentany ity mpanakanto.

Mbola mitily sy manao antso avo izay talenta mbola tsy fantatra any anivon’ny fiaraha-monina any ny Fitaleavana aty an-toerana.