IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ANDROY

Sehatra tena mbola vaovao aty Androy ny sary hosodoko toy ny ahafantarantsika azy, satria hosodoko eny amin’ny fasana no tena mahazatra ny mpanakanto aty an-toerana.

Zava-dehibe tokoa ity hetsika « Iray volan’ny sary hosodoko » satria fomba iray hamohazana ny talenta aty an-toerana.

Hatreto dia i REHEVERA Tranobiby Eric Anico irery ihany no mpanao sary hosodoko efa niseho sehatra, tamin’ny alàlan’ity sangan’asany « tableau Masina » nampamboarin’i Mompera DARIO ao aminy EKAR Ambovombe, sary mirefy 2.5m x 3m.

Isaorana i REHEVERA, noho ny fanekeny hanamboatra sangan’asa maromaro ka haranty mandritra an’ity hetsika karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ity.