RNM | TVM Antsohihy : NAHAZO FAMPITAOVANA

Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny haino amanjerim-panjakana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, dia nitsidika ny foiben’ny RNM sy TVM Antsohihy ihany koa izy Ary nitondra sy nanolotra fitaovana ho an’ ireo rantsan’ny haino aman-jerim-panjakana ireo.

Toy ny faritra hafa dia nomena : caméra full HD, moniteur vidéo, moniteur audio, micro studio, table de mixage, mélangeur vidéo ny RNM sy TVM Antsohihy.

Ireto fampitaovana ireto Dia tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitao tekinikan’ny tolotra omen’ny RNM sy TVM ny mpihaino sy ny mpijery azy ireo manerana ny Nosy.

Miavaka ny RNM sy TVM ao Antsohihy satria dia nahavita nanavao sy nanajary ny foibeny tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny ekipa ao aminy notarihin’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy kolontsaina Sofia.