FILAZANA HO AN’ NY BE SY NY MARO

Ilazana ny besinimaro fa noho ny fandaminana amin’ny fisian’ny afomanga ny harivan’ny 25 jona 2023 ka handrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny tanàna ambony,

Araka ny lamina napetraka miaraka amin’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny boriborin-tany faha-2 Antananarivo renivohitra,

Dia hifarana amin’ny 3 ora tolakandro ny fara-fandraisana olona eny amin’ny Rovan’i Madagasikara anio Alahady 25 jona 2023.
Mankasitraka antsika rehetra manaiky ny fandaminana.

Ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara.