TAGNAMARO BEALANANA (SOFIA).

Mba hofiatrehana ny taompambolen-kazo 2022 sy 2023 dia nomanina dieny izao ny vatakely fametrahana ireo zanakazo. Fanamby amin’ity taompambolena 2022-2023 ity dia ny handrakotra velaran-tany mirefy 1500ha hambolena ny zana-kazo ao amin’ny Distrikan’i Bealanana.

Araka izany, raikitra ny andron’ny Asabotsy lasa teo ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, ka ny asa fikirakirana ireo vatakely fasiana zanakazo no natao nandritra izany, tao amin’ny toeram-pikarakarana zanakazo Matsabory mena Bealanana III.

Noho ny fahavitrahan’ny olom-pirenena tao Bealanana dia nahatratra 800 no ezaka vita nandritra ity Tagnamaro ity. Araka izany dia efa mahatratra 12 600 no vita omana, ka hozarana amin’ny kaominina 20 mandrafitra ny distrikan’i Bealanana ireo zanakazo, rehefa tonga ny fotoampambolen-kazo.