Sary hosodoko DIORAMA

Tongava mitsidika ny fampirantiana ataon’ny mpanakanto Fetra RABARISON ao amin’ny efitrano fampirantiana Raparivo R.R (IVOKOLO Analakely), fa tena mahaliana tokoa.

Ny Diorama na « hosodoko mivoitra » dia mahatalanjona tokoa, fomba fampisehoana amin’ny endriny toy ny tena izy, ny natiora.
Teraka tany Eoropa tamin’ny taona 1822.
Nanomboka tamin’ny taona 2011 ny mpanakanto Fetra RABARISON no niangaly an’ity zavakanto ity.
Nampiana-tena izy fa tsy nandranto fianarana mikasika izany.
Faly izy tamin’ny fandalovan-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nitsidika izao varotra fampirantiana, ary nankasitraka manokana ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina tamin’ny alàlan’ny OFNAC nanome sehatra tamin’ny « Iray volan’ny sary hosodoko » sy amin’izao fampirantiana manokana ato amin’ny IVOKOLO izao.
Tena ilain’ny mpanakanto tokoa izany tosika izany hoy izy.
Akora maro no fampiasainy, toy ny tany, hazo, bozaka, loko…

Natao ho an’ny daholobe izany, ka manasa antsika rehetra hitsidika fa mbola hatramin’ny faha 04 Novambra ny faharetan’ny fampirantiana.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia azo antsoina ny mpanakanto Fetra RABARISON (034 77 869 66).