HETSIKA « LIRE EN FETE »

Manohana ny fampivoarana ny tontolon’ny boky sy ny vaky boky ny Minisitera.

Natomboka androany 22 Aprily ary hifarana ny 29 Aprily izao ny hetsika « Lire en fête » karakarain’ny AFT Andavamamba, izay Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no miahy ity andiany faha-efatra amin’ity taona 2023 ity.
Mifanojo tanteraka amin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny vaky boky na an-tsekoly na an-kalamanjana sy ny rohin’ny boky ankapobeny izany hetsika izany. Nanomboka ny taona 2020 dia efa nametraka ho lahan’asa laharam-pahamehana tamin’izany fanamby izany ny Minisitera.
Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanohana sy hiara-hiasa amin’ny tsy miankina ho an’ny fameloma-maso ny tontolon’ny boky sy ny vaky boky, hoy Ramatoa Minisitra nandritra ny lahateny fanokafana ity hetsika ity.
Ankoatra ny fampirantiana sangan’asana mpanoratra mandritra ny fepotoana hanatanterahana ny hetsika, hisy ihany koa ny « Concours de débat » handraisan’ireo mpianatra eny amin’ny Lisea anjara, ny « Questions pour un lecteur » natokana ho an’ireo 16 taona no mihoatra manana fahalalany feno momba ny boky tsy hanavahana.