TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY- BONGOLAVA.

Tolo-tanana ho an’ireo zaza sahirana miisa 355 beazin’ny fikambanana Bongolava an-tsitrapo ao amin’ny ivotoerana ara-tsosialy sy ara-kolotoraly ary ara-panatanjahantena Bel Air Mangarivotra no nanamarihana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena teto anivon’ny renivohitry ny Faritra Bongolava.

Vatomamy, biscuit, savony, vary, ankanjo sy ny maro samihafa, ireo no natolotra ireo zaza sahirana izay beazina eo anivon’ity akany ity, izay vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo tompon’andraikitra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fikambanana maro samihafa, ny olontsotra nalala- tanana.

Ho fiaraha-mientana amin’ny soatoavina sy ny foto-kevitra nentim-paharazana mifototra amin’ny fanahy malagasy ahitana ny fitiavana sy ny fitandroana ny aina ka mba ahafahan’ireo ankizy sahirana mifety am-pifaliana no antony nisafidianana ity Tagnamaro tolo-tanana ity.