TAGNAMARO MORONDAVA

Fanadiovana ny sisindranomasin’ny Nosy kely Morondava, no hetsika nentina nanatanterahana nyTAGNAMARO ho an’ny Disitrikan’i Morondava renivohitry ny Faritra Menabe.

Nofidiana manokana ny torapasika noho izy fitaratra ho an’ny Faritra. Izao hetsika izao ihany koa moa dia tafiditra indrindra amin’ny fanadiovana ireo toerana be fako vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza »CHENESO ».

Azo lazaina ho mavitrika ny fandraisan’anjaran’ny Olom-pirenena taty an-toerana.

Marihana fa izao hetsika izao dia notarihin’ny avy ao amin’ny Faritra Menabe ny Prefekitora Morondava, izay ambany fandrindran’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana aty Menabe ary nampian’ireo mpiara-miombon’antoka ka isany izany ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Tananan’i Morondava sy ireo herivelona rehetra.

Etoana dia mankasitraka ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay izahay avy ato amin’ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Menabe.