TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

Volana Martsa 2023

 » Apetraho ny dian-tànanao, ho lovain’ny taranaka « .
Ny boriborintany Antady ao anatin’ny Fokontany Ambatolahikosoa – Kaominina Renivohitra Fianarantsoa – Distrika Fianarantsoa I no nisafidina nanatontosana ny  » Tagnamaro Andron’ny Olompirenena – Volana Martsa 2023  » izay notontosaina ny andron’ny Sabotsy 18 Martsa 2023 maraina teo, teo ambany Fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony notronon’ireo avy amin’ny Prefektiora Fianarantsoa, avy ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, avy ao amin’ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa ary ireo Sampan-draham-panjakana maro (Sivily sy miaramila) ary ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po ao an-toerana tonga namaly ny fanasana natao.

Isaorana manokana ireo Fikambanam-behivavy ao Antady sy ny mponina eo anivon’ny Fokontany Ambatolahikosoa sy ny Fokontany manodidina amin’ny fanomezana tolo-tànana nandritra ity hetsika ara-kolontsaina Tagnamaro Volana Martsa 2023 ity.