TAGNAMARO ANDILAMENA

Fanadiovana ny tsena no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO tao Andilamena.

Saika nahitana solontena avokoa ireo sampana ara-tserivisy na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ao an-toerana nanampy ny olom-pirenena nanatanteraka ny asa.

Nitarika ny hetsika ny avy ao anivon’ny distrikan’Andilamena, ny Ben’ny tanàna, ireo mpandraharaha niaraka tamin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina.