TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Tamin’ny alalan’ny hetsika TAGNAMARO no nanombohana ny fanadiovana ny kianja RASOLONJATOVO eto Ambatondrazaka ny volana martsa teo, notohizana ny asa androany sabotsy 15 aprily 2023.

Natao izao mba hahafahana mandray ireo lalao maro samihafa sy ireo fanadinam-panjakana ara-panatanjahantena.

Maro ireo olom-pirenena tonga namaly ny antso saingy mbola tsy voadio tanteraka ity kianja ity, ka afaka mikarakara TAGNAMARO manokana ireo rehetra tsara sitrapo manam-pikasana hanohy izany.