TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA DISTRIKAN’I TOLIARA I

Notanterahina ny Sabotsy 20 May 2023 teny amin’ny harem-bakoka, harem-pirenena, manana ny lazany sy ny tantarany teny amin’ny FIHAMY, Kaominina Ambanivohitry Miary, Distrika Toliara Faharoa no nanaovana ny Tagnamaro raha ho an’ny eto anivon’ny renivohim-paritry Atsimo Andrefana.

Ny Minisitera ny Serasera sy ny Kolontsaina raha teo dia manasongadina sy manome lanja ny harem-pirenena ara-kolontsaina maha Malagasy toy itony ka efa nanajary sy nanatsara an’ity toerana ity tamin’ny fanitarana ireo fefy sy ny vavahady ary ny takelam-pamantarana koa rariny loatra raha tohizana ny ezaka fanatsarana amin’ny fikolokoloana mba ho lovain-jafy.

Tato amin’ity toerana ity araka izany no nanaovana ny Tagnamaro tamin’ity andiany ity ho fameloma-maso indray ny lazan’ity toerana ity no sady fanarenana ihany koa ireo takaitra nalevan’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy farany teo, mba hisarihana ireo mpizahan-tany ihany koa na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.

Mialohan’izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy misy ny fombafomba atao mialohan’ny fanatontosana an’ilay asa dia ny fangataham-pitahiana amin’ny razana amin’ny alalan’ny toa-mena sy paraky ary sigara ataon’ilay solontena taranaky Mpanjaka Andrevola na ireo Tsatsaky.

Taorian’izay vao nanomboka ny Tagnamaro.

Nanadio ny faritra rehetra tao anatiny, nanapaka sy namindra ireo hazo midaraboka nazeran’ny rivodoza, nandoko sy nanavao ihany koa ny lokon’ireo seza fipetrapetrahana ary nanavao sy nandoko an’ilay takelaka lehibe eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady.

Samy nandray anjara ny rehetra teto izay nahitana an’ireo mpitandro filaminana toy ny Miaramila, ny Zandary ary ny Polisim-pirenena.

Ireo solontenan’ny Fikambana sy ny taranaky Mpanjaka ary ireo fokonolona tao an-toerana namaly antso sy ny fanentanana amin’ny fanaovana ny Tagnamaro.

Tratra ny tanjona ary irariana ny hitohizan’ny hetsika toy ity Tagnamaro ity ho amin’ny sehatra maro lafy amin’ny fiaraha-monina mba ho fikojakojana ny fananana iombonana toy ity hita teto Fihamy Miary ity.