TAGNAMARO VOHIPENO FARITRA FITOVINAGNY

Ho fanatanterahana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ny 26 Jiona ho avy izao sy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity, dia ny fanadiovana ny kianja filalaovam-baolina eto vohipeno no nosafidin’ny Delegationina ny serasera sy ny kolontsaina nanaovana ny tagnamaro tamin’ity volana May ity.

Tapaka fa atao isaky ny asabotsy ity fanadiovana ity kianja filalaovam-baolina ity mandrapaha-tonga ny fetim-pirenenana.