TAGNAMARO DISTRIKA FIANARANTSOA I

Fanadiovana faobe manodidina ny biraon’ny Sampan-draham-panjakana tao amin’ny Fokontany Ambatomena Fianarantsoa Renivohitra no endrika nanatanterahana ny  » Hetsika Tagnamaro Andron’Olompirenena – Volana May 2023  » ity andron’ny Sabotsy 20 May 2023 ity, teo ambany Fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony.

Tonga nanokatra amin’ny fomba ofisialy izany hetsika ara-kolontsaina izany ny avy amin’ny prefektiora, ka Andriamatoa Préfet-n’ny Fianarantsoa no nitarika azy, notronon’ireo mpiasam-panjakàna maro (Sivily sy miaramila), ny avy ao amin’ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa,sy ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po maro àry ireo mponina avy ao amin’ny Fokontany Ambatomena.

Tafita tokoa teto, ilay lalan-tsain’ny hetsika Tagnamaro :  » Apetraho ny dian-tànanao, holovain’ny taranaka « .