TAGNAMARO MANDRITSARA.

LALANA SAHABO HO 7km NO VITA FANAJARIANA TAMIN’NY ALALAN’NY TAGNAMARO.

Nampiseho firaisankina ny fokonolona avy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ihobaka sy fokonolona avy tao amin’ny fokontany Maroaboaly distrikan’i Mandritsara, manoloana ny faharatsian-dàlana misy any an-toerana.

Làlana mampifandray ny distrikan’i Mandritsara amin’ny distrikan’i Boriziny no ity nasiana fanajariana ity na fanamboarana mihintsy aza, tamin’ny alalan’ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny volana ity, ka tao amin’ny toerana antsoina hoe: Dilana Maroaboaly no nanaovana izao Tagnamaro izao.

Araka izany, làlana mirefy 7km eo ho eo no vita tamin’ity Tagnamaro ity. Mbola nampiseho fahavononana ireto olom-pirenena ireto fa mbola hotohizana izao Tagnamaro fanajariana ny làlana izao aoriana kely eo.