TAGNAMARO DISTRIKAN’I AMPANIHY (FARITRA ATSIMO-ANDREFANA)

Atao Tagnamaro mandritran’ny herinandro , izay natomboka omaly ny fanadiovana ny fako izay mivangongo ao antampon-tananan’Ampanihy ambonivohitra .

Nolokoina ihany koa ny tsangam-bato miisa roa any an-toerana izay efa an-taonany maro no tsy nasiam-panavaozana toy izao .

Ireo tanora tia sy liana fampandrosoana niaraka amin’ny Delegasiona ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Ampanihy sy ireo Ray aman-dreny izay niarahana amin’ny vahoaka no nanantateraka izao tagnamaro izao