TVM -RNM FARAFANGANA:NAMPIANA ARA-PITAOVANA AHAFAHANY MIODINA ARAKA NY TOKONY HO IZY TAORIAN’NY RIVODOZA

Nitondra fampitaovana ny RNM sy TVM ao Farafangana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, hanamafisana ny fampandehanana indray ny haino amanjerim-panjakana taorian’ny fahavitan’ny ny toeram-piasany tamin’ny alalan’ny TAGNAMARO FANARENANA, noho ny rivodoza Batsirai sy Emnati.

Tsiahivina mantsy fa ankoatra ny fahasimbana sy ny fahavoazana tamin’ny trano nisy ny haino amanjery, maromaro ihany koa ireo fitaovana samihafa nampiasiana tao anatiny no simba.

Natolotra ny mpiara-miasa androany ohatra ny solosaina, micros pupitre, table de mixage audio, caméra complet, casque professionnel, dictaphones, mélangeur vidéo, onduleur sy stabilisateur, moniteur, enceinte basse fréquence, table vidéo ary ireo fitaovana samihafa ilaina anaty birao.

Nandritra izany no nitondran-dRamatoa Minisitra hafatra ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mba hanatanterahan’izy ireo ny asany araka ny tokony ho izy, amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo, izany hoe mpiasam-bahoaka ka mila manana faharesen-dahatra hanompo ny vahoaka.