TAGNAMARO FANARENANA CSB FARAFANGANA : FANAMBY GOAVANA NY NAHAVITANA AZY

Tamin’ ity androany ity, niara-nikatroka nanarina ny CSB ao Farafangana ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny sampan-draharaham-panjakana samihafa, ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana ary ireo olom-pirenena tonga maro be, tamin’ny alalan’ny « TAGNAMARO MANOKANA – FANARENANA ».

Isaorana manokana ihany koa ny Zandarmariam-pirenena sy ny Fitaleavam-paritry ny fitantanana ny fonja (DRAP) izay nahatonga solotena maro niara-nifanome tanana.

Niavaka ny fiaraha-mientana satria goavana be ny asa izay natao noho ny habetsahan’ny fahavoazana vokatry ny rivodoza, sady lehibe rahateo ity CSB Farafangana ity, naharitra tontolo andro araka izany ny tagnamaro natao androany.

Ity fanarenana ny CSB Farafangana ity hoy Ramatoa Minisitra no isan’ny asa goavana indrindra, tamin’ireo Tagnamaro efa natao hatramin’izay.

Raha ny zavamisy ao Farafangana dia ny Foiben’ny RNM sy TVM, sy ny CSB 2 Farafangana hatreto no fotodrafitrasam-panjakana vita fanarenana voalohany ary tafaverina amin’ny endriny teo aloha tamin’ny alalan’ny TAGNAMARO, taorian’ireo rivodoza 2 nifanesy dia i Batsirai sy Emnati.