ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ANGANO.

famaranana ny fampiofanana avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ireo mpitantara angano.

Mpitantara angano 45 mianadahy nanaraka fiofanana manokana nokarakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zava-kanto (OFNAC) no notolorana ny mari-pankasitrahana androany tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.

Izany dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Angano.

Ho antsika eto Madagasikara, naroso tamin’ity androany ny hetsi-pankalazana raha toa ka isaky ny 20 Marsa no daty maneran-tany hanamarihana izany.

Ny Eja, mpanoratra sy mpampiofana efa sangany sy ela nilomanosana tamin’ny fiantsana literatiora am-bava isan-karazany no nandray an-tanana azy ireo.

Mpampianatra an-tsekoly, fikambanana, ary olon-tsotra no nanaraka ny fiofanana.

Ankoatra ny hetsika samihafa izay natao tamin’ity androany ity, toy ny fitantarana angano ho an’ny ankizy, hisy ny fitantarana angano izay arahina ao amin’ny fahitalavim-pirenena TVM rahampitso Alahady 20 Marsa, ivon’ny fankalazana, amin’ny 12 ora sy fahefany atoandro, amin’ny 6 ora latsaka fahefany hariva ary amin’ny 8 ora latsaka fahefany alina.

Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mihitsy no hitantara sombin’angano iray ho an’ireo ankizy tany amin’ny Kominina Anjoma Betoho, izay arahintsika amin’ireo ora voatondro ireo.

« Tsy hisy sehatra eo amin’ny lafiny kolontsaina sy zavakanto ho adino » hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.

Literatiora am-bava, manabe sy mitaiza ny angano.

Miainga amin’ny angano hoy izy no ahafahana mampita sy mitahiry ireo karazana fomba amam-panao malagasy sy ny fahendren’ny Ntaolo fahiny, ary ahafahana manaparitaka sy mivoy ny fitiavana teny malagasy ihany koa.