TAGNAMARO DISTRIKAN’AMBATONDRAZAKA

Velaran-tany 10 ha ao amin’ny fokontany Angoja kaominina ambanivohitra Ambatosoratra no nambolena zetra nandritra ny hetsika TAGNAMARO teto amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, androany sabotsy 15 oktobra 2022.

Natao izany ho fanarenana ireo zetra simba sy ho fiarovana ny tontolo iainana. Nanampy ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro tamin’ny fikarakarana ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny DURRELL Wildlife Conservation Trust, ny Madagascar Wildlife Conservation sy ny Alaotra Rano Soa.

Maro ireo tonga namaly ny antso izay nahitana serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, fikambanana ary ireo vahoaka ao an-toerana notarihin’ny Ben’ny tanàna.