TAGNAMARO ROCADE TSARASAOTRA – IVATO

Zana-kazo 500 fototra novelona nanamorona ny lalana andaniny roa.

Tahaka ny fanao isaky ny Sabotsy fahatelo amin’ny volana, mifanome tanana amin’ny hetsika Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Raha ny voafaritra anatin’ny tetiandron’ny Tagnamaro mandritra ny volana Janoary, Febroary ary Marsa, dia hiompana amin’ny fambolen-kazo hanatanterahana ny toro-mariky ny Filoham-pirenena ny hetsika manerana ny Nosy ary saika efa nahavita izany avokoa ireo fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra.

Ho an’ny teto anivon’ny Minisitera foibe, tamin’ity androany ity no nanatanterahana izany teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato.

Zanakazo « Frêne » 500 isa no novolena nanamorona ny arabe amin’ny andaniny avy.

Nosafidiana manokana ity karazan-kazo ity, noho izy hanome endrika ny tanana rehefa maniry ara-dalàna.

Ity ihany koa no hazo niaraha-nanapaka fa hambolena eny na-toerana taorian’ny fifampidinihana niarahana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Efa tamin’ny volana Janoary no tokony natao ity Tagnamaro fambolen-kazo ity fa voatery nahemotra noho ny fandalovan’ny rivo-doza BATSIRAI farany teo.