TAGNAMARO FIANARANTSOA

MATSIATRA AMBONY

Ny fanadiovana ny faritra manodidina sy ao anatin’ny  » Gare FCE Fianarantsoa  » no nisafidin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony nanatanterahana ny hetsika Tagnamaro andron’ny Olom-pirenena tamin’ity volana Martsa 2022 ity.
Tonga marobe ireo mpitsehatra nasaina eo anivon’ny Sampan-draharaham-panjakana misy aty Faritra Matsiatra ambony (Sivily sy miaramila) ary ireo fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po notron’ireo mponina ao amin’ny fokontany Ivory sy Antarandolo.