ANJARA HETRAKO

Niahy ny hetsika « ANJARA HETRAKO » tany Antsirabe Vakinankaratra ny minisitra mpiahy ny faritra.

Nahazo tombony manokana ny faritr’i Vakinankaratra nosafidian’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Hetra (Direction générale des Impôts) hanombohana ny hetsika « ANJARA HETRAKO ».

Amin’ny maha-minisitra mpiahy ny faritra Vakinankaratra an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia izy no nosafidian’ny DGI hiahy ny hetsika, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy tany Antsirabe.

Ny hetsika « ANJARA HETRAKO » dia natao hamporisihana sy hanamorana ny fidiran’ny mpandraharaha ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna (secteur formel) ka eo anoloan’ny tsangambaton’ny fahaleovan-tena ampovoan-tananan’Antsirabe no manangana tranoheva hiandrasana ireo olom-pirenena rehetra ny mpiasan’ny Hetra.

Eo no eo dia vita ny karatra maha-mpandoa hetra na « carte fiscale », dika mitovin’ny karampanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16.000 Ar izay solon-ketra tambatra farafahakeliny alaina (minimum de perception) no hany takiana amin’ireo mpandraharaha manatona eny an-toerana. Haharitra 4 andro ity hetsika ao Antsirabe ity.

Nandritra ny andro voalohany fanokafana dia efa maro be ireo tanora mpandraharaha (mpivarotra na mpamboly) no tonga nanatona ary notolorana azy ireo teo no eo ny karatra maha-mpandoa hetra.

Ankoatra ny hetsika « ANJARA HETRAKO » dia nampahafantarina omaly tao Antsirabe ihany koa ny fisian’ny « E-hetraphone », izay rindram-baiko ahafahan’ny mpandoa hetra mikirakira avy hatrany ny fandoavan-ketrany amin’ny alalan’ny findainy.

 

Izany hoe miditra amin’io « application » io fotsiny ny mpandoa hetra, manaraka ny torolalana ao anatiny, mampiditra ny fanambaran-ketra (déclaration d’impôts) dia mivoaka ho azy ny kajin’ny vola tokony aloany mba hialana amin’ny kolikoly.

Azo aloa avy hatrany amin’ireo « mobile money » ny hetra avy eo, izany moa dia natao mba hialana amin’ny fivezivezen’ny mpandoa hetra ihany koa.

Nanolotra fitaovana ho an’ny Fitaleavam-paritry ny hetra ao Vakinankaratra Ramatoa minisitry mpiahy ny faritra, tamin’ny anaran-dRamatoa minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.