TAGNAMARO TSARATANANA

Fanadiovana ny lapan’ny Distrika, fanalana ny lobolobo no nanamarihana ny Andron’ny Olompirenena tao Tsaratanàna, teo koa ny fanokafan-dàlana izay efa nisy teo aloha maty antaonany maro; ireo no hetsika natao, miandahy miambavy ny Fokonolona avy amin’ireo fokontany iraikambinifolo ao andrenivohitra, miandahy miambavy manodidina ny 400 avy amin’ny fokontany miisa 11 no tonga nanatontosa izany.