TAGNAMARO ANTSOHIHY.

Ny toby fihantsonam-piarakodia na « Gare routière » no toerana voalohany na vavahady idiran’ireo vahiny tonga amin’ny tanàna iray, ka rariny loatra raha omena endrika madio mandrakariva.

Tamin’ity andron’ny Asabotsy 21 May 2022 ity dia raikitra ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, ka nanadio ny « Gare routière » eto Antsohihy.

Navitrika ireo tompon’andraikitra isaky ny koperativa sy ireo mpamily sy panera mbamin’ireo mpivarotra hani-masika ato amin’ny toby fihantsonam-piarakodia nandray anjara tamin’ity Tagnamaro ity.

Tonga maro ihany koa ireo avy amin’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, izay notarihin’ny Préfet Antsohihy sy Sekretera Jeneralin’ny faritra SOFIA ary ny ben’ny tanàn’i Antsohihy renivohitra.

Ity farany no nanome tolo-tànana tamin’ny alalan’ny fiarabe fitondrana fako.

Tsy tapaka nanentana ny olom-pirenena ny Talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Sofia ny mba hikajiana mandrakariva ny fahadiovana sy mba havitrika hatrany ny amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny soa iombonana, izay lalantsaina tiana hapetraka ny amin’ny Tagnamaro izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina.