FAHA 20 TAONAN’NY MAKI PRODUCTION

SARIMIHETSIKA MALAGASY
FAHA 20 TAONAN’NY MAKI PRODUCTION; VAINDOHAN-DRAHARAHAN’NY MINISITERAN’NY SERASERA SY KOLONTSAINA NY FAMPIVOARANA SY FIAROVANA AN’ITY.
SEHATRA.Nandritra ny lanonana nanamarihana ny faha 20 taona niorenan’ity trano mpamokatra sarimihetsika ity ny Zoma 02 Septambra teny amin’ny CCI Ivato, no nanambaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, fa hikiry hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina hiaro sy hampiroborobo ny asan’ny mpamorona sarimihetsika sy sarimiaina malagasy.

Marihina fa fanavaozana ifotony no nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina tamin’ny alàlan’ny asan’ny ISSM efa nanomboka taona vitsivitsy izao. Tanjona apetraka, ny hahatonga ity sehatra ity ho seham-pihariana mahavelona sy maharaka ny fivoarana; nirosoana koa ny fanavaozana ny rafitra ara-barotra sy ny fahazoan-dalana rehetra mahakasika ny sarimihetsika malagasy, sady koa mba hahafeno fepetra ny asan’ireo mpivarotra sy mpampanofa horonantsary eto Madagasikara. Efa nanomboka koa ny fandaharan’asa miompana amin’ny fampiofanana ireo mpisehatra rehetra izay sahanin’ny ISSM.

Ambohipihaonan’ny asa sarimihetsika sy sarimiaina ity Jobily nokarakarain’ny MAKI PRODUCTION tarihin’ny ny Tale Jeneraly RABARISON Tovomanana Eric Antonio, ity satria tafihaona teto avokoa ny sehatr’asa rehetra (mpanatontosa, mpilalao, mpamorona, mpamokatra, mpiaramiasa teknika, mamoron-kira, haino aman-jery, mpikarakara hetsika, mpamorona dihy…) izay samy notolorana mari-pankasitrahana sy mari-fahatsiarovana avokoa ho fisaorana sy famporisihana azy ireo.