TOSIK’ART – CENTRE D’INCUBATION Faritra Atsinanana.

Hivoaka tsy ho ela ireo tanora miisa 28 andiany voalohany volavolaina eo anivon’ny Centre d’incubation na Ivontoeram-pikotrehana orinasan-tserasera sy kolontsaina ao Toamasina.

Fandaharan’asa mametraka fanamby ny hamolavola tanora matihanina amin’ny sehatry ny serasera sy kanto ny « TOSIK’ART CENTRE D’INCUBATION », ka ao Toamasina no nisantarana izany tamin’ny volana May 2021. Faharoa ny teto Antananarivo ary fahatelo ny ao Ihosy faritra Ihorombe.
Nisitraka fampiofanana milohahevitra maroloko ireto tanora mpandraharaha ary efa samy manana ny tetikasany avy. Lohahevitra roa farany no narahin’izy ireo ny 13 sy ny 15 Septambra, dia ny « culture entrepreunariale » sy « création d’entreprise » izany hoe ny tsara ho fantatra rehetra manodidina ny fandraharahana sy ny fananganana orin’asa.
Amin’izao dingana famaranana izao dia niara-niasa tamin’ny « La Fabrique des Pratiques Entrepreneuriales » ao Toamasina ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina. Marihina fa ivon-toerana mpampiofana mpandraharaha ny LA FABRIQUE izay ambany fiahian’ny Fiadidiana ny tanàna sy ny Faritra Atsinanana.

Ny fanambin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia ny hametraka ivon-toerana miisa 09 manerana ny nosy amin’ny andiany voalohany, izay mamaly tanteraka ny vinan’ny Fitondram-panjakana hanabe sy hampiofana tanora ho vanona sy hahaleo tena ka afaka handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toe-karenam-pirenena indrindra fa ny faritra misy azy ireo eo amin’ny sehatry ny serasea sy Kolontsaina.

Ny Faritra Atsinanana sy ny tanànan’i Toamasina rahateo dia mikajy otrikaren-tsaina maro afaka hotrandrahin’ireto tanora feno fahavononana.