TAGNAMARO FENOARIVOBE BONGOLAVA

TAGNAMARO FENOARIVOBE BONGOLAVA

Tao amin’ny Hopitaliben’ny CHRD Fenoarivobe no nanamarihana ny Tagnamaro andron’ny olompirenena ho an’ny Distrikan’ny Fenoarivobe.

Fanadiovana faobe ny ivelan’ny hopitaly iray manontolo sy fikarakarana ireo zaridaina no natao tamin’izany. Nosafidiana manokana ity toerana ity nanaovana izao Tagnamaro izao noho izy be mpivezivezy.

Tafiditra ao anatin’ny vanimpotoana’ny dorotanety sy ny mampianaka ny aretina pesta raha teo isika amin’izao volana oktobra izao ka rariny raha fanadiovana no natao.

Hetsika izay niaraha-nisalahy tamin’ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana tao Fenoarivobe, notronon’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo sokajin’olona samy hafa.