TAGNAMARO MAEVATANANA

Fanamby napetraky ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Betsiboka ny hanarina sy hanatsara ny endriky ny CLEF izay Ivotoeram-pifanakalozana ara-kolontsaina no sady toeram-pamakiam-boky tokana misy ao Andriba izay efa tena antitra tokoa.

Niara-nientana tamin’izany ny tompona’andraiki-panjakana, ny mpanabe, mpianatra, ireo aman-drenin’ny mpianatra nanavao indray ny endrika ivelany sy anatiny.

Teo koa ny fanatovonana ny fanaka ao anatiny toy ny latabatra.