VAROTRA FAMPIRANTIANA « SARY SOKITRA VITA AMIN’NY HAZO »

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy rahampitso 17 Novambra ao amin’ny Ivokolo Analakely ny hetsika fampirantiana ny asan-tànan’i RABENJATOVO Armand Philbert.

Ity talenta ity indray no atolotry ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ho antsika miaraka amin’ny OFNAC.

Ity mpanao sary sokitra ity, dia mpikirakira ny hazo amin’ny endriny mbola tsy voahodina nanomboka ny taona 1980, ary efa maro ny fampiratiana ny asan-tànany manerana ireo hotely lehibe eto Madagasikara no efa maro ihany koa ny tany ivelan’i Madagasikara.

Ireo sary sokitra ataony dia manome lanja ny vehivavy sy ny taovolo malagasy amin’ny endriny sy halehibeny samihafa.

Koa manasa maro anareo hitsidika ny hetsika, tsy misy vidim-pidirana ary misokatra amin’ny 9ora hatramin’ny 04ora hariva ny varavarana.