LANONANA FAMOAHANA NY BOKIN’I BEBE FLORINE

« Ny diampenin’i Bao Florine Gentillesse »

ZOMA 25 NOVAMBRA 2022 @ 11 ORA MARAINA

IVOKOLO ANALAKELY

Nampihetsi-po ny maro ny tantaran’i BEBE FLORINE teto amin’ny tambajotran-tserasera

Nanaitra ny rehetra ny talentam-panoratana nananany

Nanapa-kevitra Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO ny hanonta ho boky izany asa soratr’i BEBE FLORINE izany

Koa ho anao izay nihetsi-po teo amin’ny tambajotra, ndao tohanana izy, ndao hasandratra ny talentany, manasa anao ary hanatrika izany lanonana izany

Ary ndrindra manasa anao hanjifa izany bokiny izany

Hisy ny « dédicace » sy ny fiaraha-maka sary aminy ho an’ireo manjifa ny boky

Ny vola azo avy amin’ny bokiny dia omena manontolo ho an’i BEBE FLORINE