TAGNAMARO ANDRON’NY OLOM-PIRENENA Faritra Matsiatra Ambony

Sabotsy 19 Novambra 2022

 » Apetraho ny dian-tànanao, ho lovain’ny taranaka « .
Zava-dehibe amin’ny fandaharan’asam-panjakàna ankehitriny ny fikajiana ny tontolo iainana mba ho  » Rakotra ala sy ho tontolo maitso i Madagasikara « .
Ho fanomanana ny fotoam-pambolen-kazo amin’ny taona 2023 dia notontosaina ny andron’ny Sabotsy 19 Novambra 2022 maraina ny  » Tagnamaro Andron’ny Olom-pirenena – Volana Novambra 2022  » tato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ka tao amin’ny toeram-pamokarana zana-kazo eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy – Isaha Fianarantsoa, no notanterahana ny hetsika Tagnamaro tato amin’ny Distrika Fianarantsoa I.
Niavaka ny hetsika Tagnamaro teto satria dia ny fanesehana zezika anaty kitapon-janakazo miisa 2 5000 no niarahana nifanomen-tànana tamin’izany hetsika natao izany.
Fikambanana Mpilatsaka an-tsitra-po sy solontem-panjakàna maro teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony no tonga namaly ny antso teto.

Ho ela velona mandrakariva anie ny asa sy ezaka fameloma-maso ny Kolontsaina mahay mirary hina ho fikajiana ny soa iombonana.