TAGNAMARO TSARATANÀNA.

Fanamboarana ny làlana miakatra mankeny amin’ny Hopitalibe Tsaratanàna izay manahirana ny marary izay tsy maintsy aterin’ny sarety indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Notsetsemana vato sy fasika anaty gony ny lavaka manaraka ny làlana mirefy 20 metatra.

Ny mpandraharaha ara-toekarena eto Tsaratanàna no nanolo-tànana ara-ptaovana, ireo fokonolona avy emin’ireo fokontany manodidina sy ny sampandraharaha sy fikambanana samihafa no nanatanteraka ny fanamboarana ity lalana ity tamin’ny alàlan’ny hetsika Tagnamaro.