TAGNAMARO MANDRITSARA

Nahazo endrika vaovao ankehitriny ny tetezana iray lehibe, amin’ny lalam-pirenena faha-32, izay vavahady hidirana sy ivoahana ny tanànan’i Mandritsara.

Navaozina tanteraka ny loko, ka navitrika teto ny olom-pirenena namita ny adidy ny amin’ny soa iombonana, nandritra ity Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny Asabotsy 18 Martsa 2023.