TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

Na teo aza ny toetr’andro ratsy, noho ny erika mifafy dia tontosa soa aman-tsara hatrany ny hetsika  » Tagnamaro Andron’ny Olompirenena – Volana Jolay 2023 « , ny andron’ny Sabotsy 15 Jolay 2023 maraina , izay teo ambany Fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, notronon’ireo Sampan-draham-panjakana maro (Sivily sy miaramila) avy ato amin’ny Distrika Fianarantsoa I.

Ny toerana  » Tobim-piantsonan’ny Fiarakodia eo Ankazondrano Fianarantsoa  » (Zotra Nasionaly sy Rezionaly) no nosafidina nanatontosàna izany hetsika ara-kolontsaina Tagnamaro izany tamin’ny alalan’ny asa fanadiiovana faobe, satria toerana isany ivezivezen’olona maro, amin’izao fotoam-pialantsasatra izao.
Isaorana manokana ny Fikambanan’ireo Kaoperativa izay mampiasa ny toerana UCTVF sy ny avy ao amin’ny ATT Fianarantsoa ary ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po maro , ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ivory Fianarantsoa ihany koa.

Tratra ny tanjon’ny lalan-tsain’ny hetsika Tagnamaro :  » Apetraho ny dia tananao, holovain’ny taranaka « .