TAGNAMARO AMBOSITRA.

Tsangambaton’ny faha 100 taona nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara no nanorenana ny Alama lehibe ao amin’ny Sekoly FJKM Benjamin Escande Manarintsoa ho an’Ambositra

Natao efitrano fianarana, fanaovana seho ara-kolontsaina no nampiasana azy io.
Ny taona 1991 anefa dia may io Alama io ka ankehitriny dia nanampakevitra ny Sekoly fa harenina ny Alama , alohan’izay anefa Dia tsy maintsy arodana izay efa hita fa tsy azo arenina intsony.

Hanamarihana ny Tagnamaro volana jolay dia fanomezantanana ny Sekoly amin’ny fandrodanana izany no nasafidiana, hetsika izay notarihin’ny préfet Ambositra RAKOTOMALALA Richard sy ny talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron’i Mania RAHELINORO Lalanirina Noëlle .

Zava-dehibe ho an’ny Kolontsaina ny fisian’ny Alama io ka izao no anton’izao fanomezantanana izao hoy izy ireo.

Nankasitraka ny hetsika moa ny talen’ny Sekoly Benjamin Escande Ambositra.