JIOI TENNIS: NANOLOTRA FAMPITAOVANA HO AN’NY DELEGASIONA MALAGASY IREO MINISTRA MPIAHY MANDRITRAN’NY LALAO NY NOSY

4 andro mialohan’ny handraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tonga nihaona tamin’ireo atleta 12 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny taranja Tennis, androany teny amin’ny Kianja ACSA Ambohidahy, ireo Ministra mpiahy an’ity taranja.

Efa vonona tanteraka ireo atleta handrombaka medaly ho an’ny firenena. Manohy ny fanazaran-tenany miaraka amin’ny mpanazatra iraisam-pirenena Coach Teddy ANDRIANJAFITRIMO izy ireo. Nafarana manokana hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo atleta malagasy ity mpanazatra ity.

Nandritra io fihaonana androany io no nanoloran’ireto mpikambana amin’ny Governemanta fanamiana mitovy (survêtement sy tee shirt) ho an’ireo delegasiona ireo izay hita fa efa vonona tanteraka.

Eny amin’ny Kianja ACSA Ambohidahy rahateo moa no hanatanterahana ireo lalao rehetra amin’ity taranja Tennis ity.