TAGNAMARO BEFANDRIANA-AVARATRA.

FANADIOVANA NY FASANA IOMBONANA.

Saro-piaro amin’ny toerana misy an’ireo Razana nialoha làlana ny Sojabe sy Ray aman-dreny ara-drazana ao Befandriana-Avaratra.
Manana hasina sy toerana manokana amin’ny kolontsaina Tsimihety ny Razana, hita taratra izany rehefa misy ny « Jôro » atao isam-pianakaviana. Tato ho ato anefa, manomboka ho very ny fanajana azy ireny, noho ny antony maro. Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fanajana ny hasin’ny Razana anefa ireo SOJABE ao Befandriana-Avaratra ka raikitra teto ny fanadiovana ny FASANA IOMBONANA ao andrenivohitra Befandriana-Avaratra, tamin’ny alalan’ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny Asabotsy lasa teo iny.

Tsikaritra nandritry ny Tagnamaro ity fa efa misy maka ny tanim-pasana, ka hanaovan’ireto Sojabe ireto fanairana ho an’ny tompon’andraikitra tandrify izany. Mbola hitohy amin’ny andiany manaraka izao fanadiovana ny fasana izao.