VAROTRA FAMPIRANTIANA AO AMIN’NY IVOKOLO ANALAKELY

Ny fikambanan’ny mpanao Varatava dia manolotra anao varotra fampirantiana ny 07 Novambra ka hatramin’ny 22 Desambra 2023 ao amin’ny Ivokolo Analakely-Galerie d’Art R.R.RAPARIVO, izay toerana natokana ho an’ny zavakanto sy kolontsaina.

Mandritra ny fampirantiana dia hisy ny fiangaliana sary mivantana, fampiofanana ary fifaninana manao sary.

Koa manasa maro anao hitsidika fa mamaim-poana ny fidirana sy fitsidihana.