FIAROVANA IREO HAREM-BAKOKA – ROVAN’ I MADAGASIKARA

Mitohy hatrany ireo ezaka ataon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina entina hiarovana ireo harembakoka. Taorian’ireo mpiasa misahana ny fikarakarana ny Rovan’Ambohimanga dia anjaran’ireo mpiasa eo anivon’ny 𝙍𝙤𝙫𝙖𝙣’𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 indray no nahazo fiofanana momba ny fiarovana an’ity harembakoka ity ny zoma 15 Marsa lasa teo.

Ny 𝘽𝙧𝙞𝙜𝙖𝙙𝙚 𝘼𝙣𝙩𝙞-𝙋𝙞𝙧𝙖𝙩𝙖𝙜𝙚 na BAP izay rafitra eo ambany fiahian’ny ministera no nanome ny fiofanana, ho fampiharana ny politikam- pirenena momban’ny kolontsaina sy ho fanatanterahana ny fandaharanasam-panjakana.

Miisa 17 ireo mpiasa eo anivon’ny 𝗢𝗳𝗶𝘀𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗥𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 na ORMADA nahazo fiofanana. Araka ny didim-pitondrana nananganana azy dia ny BAP no misahana ny fiarovana ny harembakoka. Ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara na ORMada kosa no miandraikitra ny fitantanana ny Rova eny Andohalo.